<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>IANAREO ANKIZY ASAFA71</title>
<lyrics>[V1]
 Ianareo ankizy antsoin'i Jesosy Tompo,
 Hanazava ny manodidina anareo,
 Maizina ny tany itoerantsika izao,
 Misehoa ho jiro kely hamirapiratra ao.

[V2]
 Na malemy aza isika ankizy kely,
 Afaka hanazava ny manodidina,
 Satria Jesosy mitahy antsika izao,
 Manazava, mampahery sy miaro koa.

[V3]
 Asehoy ny fahazavanao,
 Hanazava izao tontolo izao,
 Asehoy Jesosy Tomponao,
 Misehoa ho jiro kely hamirapiratra ao.</lyrics>
<hymn_number>71</hymn_number>
<author>Tsy fantatra</author>
</song>